<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>F.J. Haydn</author>
<hymn_number>801</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Izaho dia zaza
 Malemy, osa fo,
 Fa na izany aza,
 Mba ondrin'ny Jeso.

[V2]
 Arý an-danitra Izy
 Mitsinjo ahy koa,
 Satria ny ankizy
 Dia tiany tokoa.

[V3]
 Anefa ko akaiky
 Jesosy mamiko,
 Fa Izy dia manaiky
 Ho eto amiko.

[V4]
 Manafa-tahotra ahy
 Ny tsorakazony,
 Manaisotra ahiahy
 Ny fitiavany.

[V5]
 Izao tsy mbola hita
 Ny endrik'Izy izay,
 Fa raha arý am-pita
 Hiahona izahay.</lyrics>
<title>Izaho dia zaza, malemy osa fo FFPM801</title>
</song>